plt_tn/mat/28/01.md

1019 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fiandohan'ny tantaran'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.

Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nanomboka mangiran-dratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro

"Taorian'ny nahataperan'ny Sabata, rehefa niposaka ny masoandro ny alahady maraina"

Ary

Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Matio dia manomboka mitantara fizaran-tantara vaovao.

ilay Maria iray hafa

"ilay vehivavy iray hafa antsoina hoe Maria." I Maria renin'i Jakoba sy Josefa io.

Indro

Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra ny saintsika ny amin'ny tranga mahatalanjona izay manaraka eo. Mety manana fomba hanaovana izany ny fiteninao.

nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidina ... ary nanakodia ny vato

Ireo mety ho dikany dia 1) niseho ilay horohoron-tany satria nidina ary nanakodia ilay vato ilay anjely na 2) niara-nitranga tamin'ny fotoana iray ireo tranga ireo.

horohoron-tany

Fiovitrovitry ny tany tampoka.