plt_tn/mat/23/23.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown

# Lozanareo
"Loza mahatsiravina ho anareo!" Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:20.
# solila sy ny aneta ary ny komina
Ireo dia ravina sy voan-java-maniry isan-karazany izay ampisain'ny olona hampatsiro ny sakafo.
# fa ianareo dia tsy nankatoa
"navelanareo tsy ho vita"
# ny raharaha mavesa-danja indrindra
"ny zavatra manan-danja kokoa"
# Fa ireo no tokony nataonareo
"Tokony nankatoa ireo lalàna manan-danja kokoa ireo ianareo"
# ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny iray hafa
Azo atao hoe DH: "ary mankatoa ireo lalàna tsy dia manan-danja ihany koa"
# Ianareo ry mpitarika jamba
Mampiasa io sarin-teny io i Jesosy mba hamaritana ireo Fariseo. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia tsy azon'ireo Fariseo ireo didin'Andriamanitra sy ny fomba hahazoana sitraka Aminy. Noho izany, dia tsy afaka mampianatra ny hafa ny fomba ahazoana sitraka Aminy izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao io sarin-teny io ao amin'ny 15:12.
# ianareo izay misivana ny lalitra nefa mitelina rameva
Ny fitandremana mafy mba hanaraka ireo lalàna tsy dia manan-danja ary ny tsy fahalalana ireo lalàna manan-danja kokoa dia fahadalana toy ny fitelomana ny biby maloto kely indrindra kanefa mihinana ny henan'ny biby maloto lehibe indrindra, na fanahy iniana na tsia. DH: "ianareo dia adala toy ny olona iray izay manivana lalitra iray izay latsaka ao amin'ny verany kanefa mitelina rameva"
# manivana ny lalitra
Ny dikan'izany dia mandraraka rano amin'ny lamba mba hanesorana lalitra amin'ny zava-pisotro.
# lalitra
biby kely manidina