plt_tn/mat/22/15.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fanombohan'ny tantaran'ireo mpitarika fivavahana izay nitetika ny hamandrika an'i Jesosy tamin'ny alalan'ny fanontaniana saro-baliana maro. Eto ireo Fariseo dia manontany Azy momba ny fandoavan-ketra amin'i Kaisara.

fomba mety hamandrihana an'i Jesosy amin'izay noteneniny

"ahaoana no ahafahan'izy ireo mampilaza zavatra tsy mety an'i Jesosy mba hahafahan'izy ireo misambotra Azy"

ireo mpianatr'izy ireo ... Herodiana

Ireo mpianatr'ireo Fariseo dia nanohana ny fandoavan-ketra amin'ireo manam-pahefana Jiosy ihany. Ireo Herodiana dia nanohana ny fandoavan-ketra amin'ireo manam-pahefana Romana. Midika izany fa nino ireo Fariseo fa na inona na inona lazain'i Jesosy, dia hanafintohina ny iray amin'ireo vondrona ireo Izy.

Herodiana

Ireo dia manan-pahefana sady mpanara-dia an'i Heroda. Mpinamana tamin'ireo manam-pahefana Romana izy.

ary tsy mitanila

"tsy maneho haja manokana amin'ny olona sasany Ianao" na "misy olona sasany tsy ataonao manan-danja kokoa nohon'ny olona hafa"

fandoavan-ketra any amin'i Kaisara

Tsy nandoa hetra mivantana tamin'i Kaisara ny olona fa tamin'ny iray amin'ireo mpamory hetrany. DH: "mandoa ireo hetra izay takian'i Kaisara"