plt_tn/mat/16/19.md

24 lines
1009 B
Markdown

# Homeko anareo
Eto dia manondro an'i Petera ny hoe "anao."
# fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra
Eto ny "fanalahidy" dia maneho an'i Jesosy manome ny fahefana an'i Petera. Tsy milaza izany fa i petera no tompon'ny fanjakana, saingy manana fahefana ny hanapaka izay hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
# ny fanjakan'ny lanitra
Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra."
# fanalahidy
fitaovana hamahana sy hanidiana varavarana.
# izay fehezinareo eto ambonin'ny tany dia ho fehezina any an-danitra ... ary na inona na inona vahanareo ety an-tany dia ho vahana any an-danitra
Io sarin-teny io dia midika fa hanaiky izay heken'i Petera na lavin'i Petera ety an-tany Andriamanitra.
# ho fehezina ... ho vahana
Azo adika hoe DH: "Andriamanitra dia hamehy .., Andriamanitra dia hamaha"