plt_tn/mat/16/03.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy ny valin-teniny amin'ireo Fariseo sy Sadoseo i Jesosy.

Rehefa hariva ... Rehefa maraina

"Rehefa milentika ny masoandro ... rehefa miposaka ny masoandro"

Ho ratsy ny andro

"toetr'andro mandrahona, manorana"

fa mena sy manjombona ny lanitra

"mena sy mandrahona"

Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra

"Hainareo ny mijery ny lanitra ary mahalala hoe karazana toetr'andro manahoana no ho avy"

fa ianareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotoana

"saingy tsy hainareo ny mijery izay miseho amin'izao ary mahalala hoe inona no dikan'izany''

Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga

Eto ny "mpijangajanga" dia sarin-teny ilazana ny olona izay tsy mahatoky amin'Andriamnitra. DH: "taranaka tsy mino" na "taranaka tsy manana an'Andriamanitra." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:38.

mitady famantarana

Nahatezitra an'i Jesosy io fangatahana io noho ny toetra feno fanahian'ireo mpitarika fivavahana ny amin'i Jesosy. Efa nanao fahagagana maro Izy, saingy tsy mbola nino ihany izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:38.

tsy hisy famantarana homena azy

Azo adika hoe DH: "Tsy hanome famantarana Andriamanitra." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:38.

ankoatra ny famantaran'i Jona

"ankoatra ny famantarana izay nomen'Andriamanitra an'i Jona mpaminany." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:38.