plt_tn/mat/13/34.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny mpanoratra dia milaza teny avy ao amin'ny Salamo mba hampisehoana fa ny fampianaran'i Jesosy dia nanatanteraka ny faminaniana.

Fanoharana no nanambaran'i Jesosy ireo zava-drehetra ireo tamin'ny vahoaka; ary tsy nilaza na inona na inona tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy

Samy mitovy hevitra ireo fehezanteny roa ireo. Nampiarahana ireo mba hanindriana fa tamin'ny fanoharana ihany no nampianaran'i Jesosy ireo olona.

reo zava-drehetra ireo

Maneho izay nampianarin'i Jesosy nanomboka tao amin'ny 13:1io.

tsy nilaza na inona na inona tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy

Azo ataonao hoe DH: "ny zavatra rehetra nampianariny azy ireo dia nataony tamin'ny fanoharana''

mba hahatanteraka izay nolazaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, rehefa niteny Izy hoe

Azo atao hoe DH: "tanterany izay nasain'Andriamanitra nosoratan'ny iray tamin'ireo mpaminany hatry ny ela"

rehefa niteny Izy hoe

"raha niteny ilay mpaminany hoe"

Izaho hiloa-bava

Fomba fiteny izay midika hoe miteny io. DH: "Izaho hiteny"

izay nafenina

Azo atao hoe DH: "zavatra izay navelan'Andriamanitra hiafina"

hatrizay nanorenana izao tontolo izao

"Hatramin'ny fiandohan'izao tontolo izao" na "hatramin'ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao"