plt_tn/mat/09/14.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mametra-panontaniana ny amin'ny tsy fifadian'ireo mpianatr'i Jesosy hanina ireo mpianatr'i Jaona.

tsy mba mifady

"manohy mihinana ara-dalàna"

Mety alahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, raha mbola miaraka eo amin'izy ireo ny mpampakatra?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hamaliana ireo mpianatr'i Jaona. Fantatr'izy rehetra fa tsy misaona na mifady hanina ny olona any amin'ny fampakaram-bady. Mampiasa io ohabolana io i Jesosy mba hampisehoana fa tsy misaona ny mpianany satria mbola miaraka amin'izy ireo Izy.

Fa ho avy ny andro

"Fa ho avy ny fotoana"

hangalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo

Azo atao hoe DH: "tsy ho afaka ny hiaraka amin'izy ireo intsony ny mpampakatra" na "hisy haka lavitra azy ireo ny mpampakatra"

hangalana

Mety milaza ny fahafatesany manokana i Jesosy, fa tsy tokony hatao mazava eto amin'ny dikan-teny izany. Mba hitazonana ny sarin-tenin'ny fampakaram-bady, ny tsara indrindra dia ny milaza tsotra fa tsy ho eo intsony ny mpampakatra.