1.0 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpianany amin'ny Toriteny teny An-tendrombohitra, izay nanomboka tao amin'ny 5:1 i Jesosy.
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" ary ireo didy dia manondro olona maro.
Aza mitsara
Misy hevitra ambadika izany fa ny hoe "mitsara" dia "manameloka mafy" na "manambara fa meloka." DH: "Aza manameloka mafy ny olona"
tsy hotsaraina ianareo
Azo atao hoe DH: "Tsy ho melohan'Andriamanitra mafy ianareo"
Fa
Ezaho mba ho azon'ny mpamaky fa izay lazaina ao amin'ny 7:2 dia mifototra amin'izay nolazain'i Jesosy tao amin'ny 7:1.
amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo
Azo atao hoe DH: "Ho melohan'Andriamanitra araka ny hanamelohanao ny hafa ianao"
fandrefesana
Ireo mety ho dikany dia 1) io no haben'ny famaizana hatao na 2) io no fomba atao amin'ny fitsarana.
no handrefesana anareo
Azo adika hoe DH: "Andriamanitra no handrefy izany ho anareo"