973 B
973 B
Fa ireo Jentilisa mitady ireo zavatra ireo
"fa ireo Jentisa dia liana ny amin'izay hohaniny, sy sotroiny, ary hanaovany''
ary ny Rainareo izay any an-danitra dia mahafantatra fa mila ireo ianareo
Milaza i Jesosy fa Andriamanitra dia hanao izay hahazoanao ireo zavatra fototra ilainao.
Rainareo
Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany
Eto ny hoe ''fanjakana'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. DH: "Afantohy amin'ny fanompoana an'Andriamanitra izay mpanjakanao, sy ny fanaovana ny marina, ny tenanao"
homena anareo ireo zavatra ireo.
Azo atao hoe DH: "Andriamanitra no hanome ireny zavatra rehetra ireny ho anareo"
Noho izany
"Noho izany rehetra izany"
fa ny ampitso hanahy ny azy
Mamaritra ny "ampitso" toy ny hoe olona afaka manahy i Jesosy. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia hoe rehefa tonga ny andro manaraka dia hanana zavatra hiahiana indray ny olona iray.