plt_tn/luk/21/34.md

1.4 KiB

mba tsy ho vesarana ny fonareo

Ny ''fo'' eto dia maneho ny saina sy ireo eritreritrin'ny olona. DH: ''mba tsy ho sahirana amin'ny ... ianao

tsy hoe vesasrana

Jesosy eto miresaka ireo fahotana manaraka toy ny hoe lanja ara-batana izay mila entin'ny olona.

vokatry ny fisotroana

''fisotroana divay be loatra izay hampamamo ny iray.

ireo ahiahin'ny fiainana

''fiahiahiana be loatra momban'ny fiainana''

avy eo dia hikatona tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany

Tahaka ny hikatonan'ny fandrika amin'ny biby rehefa tsy nanampo izany ny biby, dia hitranga izany andro izany rehefa tsy hanampo izany ny olona. DH: ''hitranga izany andro izany rehefa tsy manampo izany ianareo, tahaka ny hikatonan'ny fandrika tampoka amin'ny biby''

hikatona tampoka aminareo izany andro izany

Ny fiavian'izany andro izany dia hiseho tampoka ary tsy hampoizina ho an'ireo izay tsy vonona sy mijery izany. DH: ''Fa raha tsy mitandrina ianareo, dia hikatona tampoka aminareo izany andro izany.''

izany andro izany

Ity dia maneho ny andro hiverenan'i Mesia. DH: ''ny andro hiavian'ny Zanak'Olona''

izany dia ho tonga amin'ny tsirairay

''hiantraika amin'ny tsirairay izany'' na ''ny tranga amin'izany andro izany dia hiantraika amin'ny tsirairay''

maneran-tany

Ny velaran-tany dia resahina toy ny tavan'olona. DH: ''amin'ny velaran'ny tany iray manontolo'' na ''amin'ny tany manontolo''