plt_tn/luk/21/16.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown

# ianareo ihany koa dia ho atolotry ny ray aman-dreny, ireo rahalahy, ireo havana sy ireo namana
DH: ''na dia ny ray aman-dreninareo, rahalahy, havana, ary namanareo aza dia hanolotra anareo amin'ireo manam-pahefana''
# ary izy ireo dia hamono ho faty ny sasany aminareo
Ireo dika azo heverina: 1) ''ireo manam-pahefana dia hamono ny sasany aminareo'' na 2) ''ireo izay manolotra anareo dia hamono ny sasany aminareo.''
# ho halan'ny tsirairay ianareo
Ity dia fanatomboana resaka mba hanamafisana ny maha-lehibe ny fanenjehana.
# nohon'ny anarako
Ny ''anarako'' eto dia maneho an'i Jesosy. DH: ''satria manaraka Ahy ianareo''
# Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza
Ity dia maneho ny iray amin'ireo fizarana kely indrindra amin'ny olona mba hanamafisana fa ilay olona iray manontolo dia tsy ho very. Jesosy efa niteny fa ny sasany amin'izy ireo ho faty. Noho izany ny sasany dia mahazo fa izany dia midika fa tsy haratra ara-panahy izy ireo. DH: ''Fa ireo zavatra ireo dia tsy afaka tena handratra anao'' na ''Na dia ny volo rehetra eo amin'ny lohanao aza dia ho voaaro''
# Amin'ny faharetanareo
''amin'ny fihazonana mafy orina.'' DH: ''Raha tsy miala ianareo''
# Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fanahinareo
DH: ''hahazo ny fiainana ianareo'' na ''hamonjy ny tenanareo ianareo''