plt_tn/luk/20/41.md

2.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Nametra-panontaniana ireo mpanora-dalàna Jesosy

Ahoana no ilazan'izy ireo fa Kristy dia zanaka lahin'i Davida?

''Nahoana izy ireo no milaza fa Kristy dia zanaka lahin'i Davida?'' Jesosy mampiasa fanontaniana mba hampieritreretana ireo mpanora-dalàna hoe izay ilay Mesia. DH: ''Hiresaka momban'izy ireo Aho hiteny hoe ... zanaka lahin'i Davida''

ilazan'izy ireo

ireo mpaminany, ireo mpanapaka fivavahana, ary ireo olona Jiosy amin'ny ankapobeny dia nahafantatra fa ilay Mesia dia zanak'i Davida. DH: ''hoy ny rehetra hoe'' na ''ny olona dia milaza hoe''

Zanak'i Davida

''Taranak'i Davida mpanjaka.'' Ny teny hoe ''zanaka'' dia nampiasaina eto mba hanehoana ny taranaka. Amin'ity izany dia maneho ilay iray izay hanjaka amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko

Ity dia teny nalaina tao amin'ny bokin'ny Salamao izay milaza hoe: ''Yaveh niteny tamin'ny Tompoko.'' Fa ireo Jiosy nijanona niteny hoe: ''Yaveh'' ary niteny foana kosa hoe ''Tompo.'' DH: ''Ny Tompo Andriamanitra niteny tamin'ny Tompoko'' na ''Andriamanitra niteny tamin'ny Tompoko''

ny Tompoko

Davida naneho an'i Kristy toy ny hoe ''Tompoko''

eo an-tanana ankavanako

Ny havanana dia toeran'ny voninahitra. Andriamanitra dia maneho voninahitra ny Mesia amin'ny fitenenana Azy mba hipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra eo amin'ny seza fiandrianana akaikin'Andriamanitra.

mandra-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao

Ireo fahavalon'ny Mesia dia noresahina toy ny hoe fitaovaona fakan'aina ho an'ny tongony izy ireo. DH: ''mandra-panavako ireo fahavalonao toy ny fitoeran-tongotra ho anao'' na ''mandra-pahazoako ireo fahavalonao ho anao''

Noho izany Davida dia niantso an'i Kristy hoe 'Tompo'

Tamin'ny kolontsaina tamin'izany fotoana izany, dia najaina kokoa noho ny zanaka lahy ny ray. Ny fampiasan'i Davida ny fiantsoana hoe 'Tompo' ho an'i kristy dia midika fa Izy dia lehibe noho Davida.

koa ahoana no maha-zanak'i Davida Azy?

''koa ahoana no maha-zanak'i Davida an'i Kristy?'' DH: ''ity dia mampiseho fa Kristy dia tsy taranak'i Davida fotsiny''