plt_tn/luk/13/34.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny famalian'i Jesosy an'ireo Fariseo. Ity no faran'ity fizarana ao amin'ny tantara ity.

Ry Jerosalema, ry Jerosalema

Jesosy miresaka toy ny hoe nihaino Azy ireo olon'i Jerosalema. Niteny ity indroa Jesosy hampisehoana ny alahelony ho azy ireo.

izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato ireo izay nirahina tany aminareo

Raha hafahafa ny miresaka amin'ny tanàna, dia afaka hazavainao izany hoe Jesosy niresaka tamin'ireo olona tao amin'ilay tanàna: "Ianareo olona izay mamono ireo mpaminany sy mitora-bato ireo nirahina tany aminareo"

ireo nirahina tany aminareo

DH: "ireo izay nirahin'Andriamanitra ho any aminareo"

Impiry aho no naniry

"maniry foana aho." Fanamafisana ity fa tsy fanontaniana.

hanangona ny zanakareo

Ny olon'i Jerosalema dia raisina toy ny "ankizy." DH: "hanangona ny olonareo" na "hanangona ny olon'i Jerosalema"

tahaka ny akoho vavy manangona ny zanany ambany helany

Ity dia mamaritra ny fomba hiarovan'ny akoho vavy ny zanany amin'ny ratsy amin'ny alalan'ny fandrakofana azy ireo amin'ny helany.

nilaozana ny tranonareo

Ity dia faminaniana momban'ny zavatra izay hitranga afaka fotoana fohy. Izany dia midika fa najanon'Andriamanitra ny fiarovana ny olon'i Jerosalema, noho izany dia afaka hanafika azy ireo ny fahavalo. Ireo dika azo atao: 1) hilaozan' Andriamanitra izy ireo. na 2) ho foana ny tanànan'izy ireo. DH: "Hilaozana ny tranonareo"

tsy ho hitanareo Aho ambara-pitenenanareo hoe

"tsy hahita Ahy ianareo mandra-pahatongan'ny fotoana hitenenanareo hoe" na "amin'ny fotoana manaraka hahitanareo Ahy, dia hiteny ianareo hoe"

anaran'ny Tompo

Eto ny "anarana" dia maneho ny hery sy fahefan'ny Tompo.