plt_tn/luk/12/02.md

1.1 KiB

Fa tsy misy

Ny teny hoe "fa" dia mampifandray ity andininy ity amin'ilay andininy teo aloha momban'ny fiatsarambelatsihin'ireo Fariseo.

Fa tsy misy takona izay tsy aseho

"ny zavatra rehetra izay miafina dia ho asdeho." DH: "ho hitan'ny olona ny momba ireo zavatra rehetra izay hataon'ny olona miafina"

tsy misy miafina izay tsy ho fantatra

Ity dia mitovy dika amin'ilay teo aloha ihany mba hanamafisana ny fahamarinan'izany. DH: "ny olona dia hianatra momba ireo zavatra rehetra izay ezahan'ny olona hafenina"

ho re ao amin'ny fahazavana

DH: "ho ren'ny olona ao amin'ny fahazavana"

nolazaina teo an-tsofina

DH: "nobitsihina tamin'olon-kafa"

tao amin'ny efi-trano anaty

"tao amin'ny efi-trano mihidy." Ity dia maneho resaka manokana. DH: "tao amin'ny mangingina" na "niafina"

hambara

"ho lazaina amin'ny feo mafy." DH: "ho hambaran'ny olona"

an-tampon-trano

Ny trano any Isiraely dia manana tafo fisaka, ka afaka miakatra eny ny olona ary mitsangana eo an-tampony. Afaka atao koa hoe "eny amin'ny toerana avo izay afahan'ny olona rehetra maheno tsara."