plt_tn/luk/11/16.md

953 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy manomboka mamaly ny vahoaka.

Ny sasany nitsapa Azy

"Nitsapa an'i Jesosy ireo olona hafa." Tian'izy ireo hanaporofo Izy fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany.

ary nitady famantarana avy any an-danitra taminy

"nangataka Azy mba hanao famantarana avy any an-danitra." Izany no fomba tian'izy ireo hanaporofoany fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany.

ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava

Ny "fanjakana" eto dia maneho ny olona ao aminy. DH: "Raha miady an-trano ny olona ao amin'ny fanjakana iray, dia hamotika ny fanjakany izy ireo"

ny trano izay mizarazara dia hirodana

Eto ny "trano" dia maneho ny fianakaviana. DH: "Raha miady an-trano ny olona ao amin'ny fianakaviana iray, dia handrava ny fiankaviany izy ireo"

hirodana

"hianjera ary ho potika." Ity sarisarin'ny trano mirodana ity dia maneho ny fahapotehan'ny fianakaviana iray rehefa miady an-trano ireo mpikambana ao.