plt_tn/luk/10/40.md

16 lines
848 B
Markdown

# tsy mampaninona Anao ve ... irery?
Marta dia nitaraina fa navelan'ny Tompo hipetraka hihaino Azy Maria nefa betsaka ny asa tokony atao. Nanaja ny Tompo izy, noho izany dia nampiasa fanontaniana matotra mba hanaovana ny fitarainany amin'ny fomba mihaja kokoa. DH: "hoatran'ny hoe tsy rarahinao ... irery"
# Marta, Marta
Jesosy mamerina ny anaran'i Marta mba ho fanamafisana. DH: "Ry Marta" na "ianao, Marta"
# zavatra iray ihany no tena ilaina
Jesosy dia mampifanohitra ny ataon'i Maria amin'ny zavatra ataon'i Marta. Mety hanampy ny manazava izany. DH: "ny zavatra tena ilaina dia ny fihainoana ny fampianarako" na "ny fihainoana ny fampianarako no tena ilaina noho ny manomana sakafo"
# izay tsy ho esorina aminy
Ireo dika azo atao: 1) "tsy hanala aminy ity fahafahana ity Aho" na 2) "tsy hahavery izay azony tamin'ny fihainoana Ahy izy"