plt_tn/luk/09/59.md

20 lines
1008 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Eny an-dalana Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo olona.
# Manaraha Ahy
Ity dia milaza hoe ho mpianatr'i Jesosy ary manaraka Azy.
# avelao aho aloha handeha handevina ny raiko
Tsy mazava tsara raha efa maty ny rain'ilay lehilahy dia handeha handevina azy avy hatrany izy, na hoe te-hijanona fotoana lavalava izy mandra-pahafatin'ilay rainy dia ho afaka mandevina azy izy avy eo. Ny hevi-dehibe dia ny hoe te-hanao zavatra hafa aloha ilay lehilahy mialohan'ny hanarahany an'i Jesosy.
# Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy
Jesosy dia tsy milaza ara-bakiteny hoe ny olona maty dia handevina olona maty hafa. Ireo dika azo atao amin'ny hoe "ny maty" : 1) izany dia sariteny ho an'ireo izay ho faty afaka fotoana hohy, na 2) izany dia sariteny ho an'ireo izay tsy manaraka an'i Jesosy ary maty ara-panahy. Ny hevi-dehibe dia ny hoe ny mpianatra iray dia tsy tokony hamela na inona na inona manatara azy amin'ny fanarahana an'i Jesosy.
# ny maty
"ny olona maty"