plt_tn/luk/05/01.md

932 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy nitory avy eny amin'ny sambon'i Petera teo amin'ny farihin'i Genesareta.

farihin'i Genesareta

Ity dia anarana hafa hiantsoana ny ranomasin'i Galilia. Galilia dia ilay tapany andrefan'ny farihy, ary ny tanin'i Genesareta dia ilay tapany atsinanana, noho izany dia nantsoina tamin'ireo anarana roa ireo izany.

nanasa ireo haratony

Izy ireo dia nanasa ny harato fanjonon'izy ireo mba hampiasana izany indray hisamborana trondro.

iray tamin'ireo sambokely, izay an'i Simona

"ilay sambon'i Simona"

nangataka azy mba handefa izany eny amin'ny rano lavidavitry ny tanety

"nangataka an'i Simona mba hamindra ilay sambo lavidavitry ny moron-dranomasina"

nampianatra ireo olona teny ivelan'ny sambokely

"nampianatra ny olona raha Izy nipetraka tao amin'ny sambo." Jesosy dia tao amin'ny sambo lavidavitry ny moron-drano ary niresaka tamin'ny olona izay teny amin'ny moron-drano.