plt_tn/luk/04/25.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Jesosy mampatsiahy ny olona, izay mihaino Azy ao amin'ny synagoga, ny momban'i Elia sy Elisa izay mpaminany fantatr'izy ireo.
# raha ny tena marina dia lazaiko aminareo
"lazaiko marina aminareo." Ity fehezanteny ity hanamafisana ny maha-zava-dehibe sy marina amin'ny fanambarana manaraka.
# mpitondra tena
Ny mpitondra tena dia vehivavy izay maty vady.
# tamin'ny andron'i elia
Ny olona izay noresahan'i Jesosy dia tokony mahalala fa Elia dia iray tamin'ireo mpaminanin' Andriamanitra.
# raha nihidy ny lanitra
Ity dia sariteny. Ny lanitra dia alaina sary toy ny valin-drihana izay nihidy, ka tsy hisy orana hilatsaka avy amin'izany. DH: "rehefa tsy nisy orana nilatsaka avy eny an-danitra" na "rehefa tsy nisy orana intsony
# mosary lehibe
"tsy fahampian-tsakafo."
# tao Zerapata ... tany amin'ny mpitondra tena izay nipetraka tany
Ny olona izay mipetraka ao amin'ny renivohitry Zerapa dia Jentilisa fa tsy Jiosy. Ny olona izay nihaino an'i Jesosy dia tokony nahalala fa Jentilisa ny olon'i Zerapa. DH: "mpitondra tena jentilisa mipetraka ao Zerapa"
# Namàna ilay Syriana
Ny olona ao Syria dia Jentilisa, fa tsy Jiosy. DH: "Namàna jentilisa avy ao Syria"