plt_tn/luk/03/04.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny mpanoratra, Lioka, dia maka teny avy amin'Isaia mpaminany mahakasika an'i Jaona mpanao batsia.

Araka ny voasoratra ... mpaminany

Ny andininy 4-6 dia teny nalaina avy tao amin' Isaia. DH: "Izany dia nitranga araka izay voasoratr'Isaia tao amin'ny bokiny" na "Jaona nanatanteraka ireo teny izay nosoratan'Isaia mpaminany tao amin'ny bokiny"

Nisy feo iray niantso mafy avy any an'efitra hoe

Ity dia afaka atao fehezanteny iray ihany. DH: "Nisy feo iray re niantso mafy avy any an'efitra" na "Nandre feon'olona iray niantso mafy avy any an'efitra izy ireo"

Ataovy vonona ny lalan'ny Tompo ... ataovy mahitsy ny lalan-kalehany

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika ihany

Ataovy vonona ny lalan'ny Tompo

"Ataovy vonona ho an'ny Tompo ny lalana." Ny fanaovana ity dia maneho fa niomana hihaino ny hafatrin'ny Tompo rehefa tonga Izy. Ny olona dia manao ity ho fibebahana amin'ny helok'izy ireo. DH: "Mihomàna hihaino ny hafatrin'ny Tompo rehefa tonga Izy" na "Mibebaha ary mihomàna amin'ny fahatongavan'ny Tompo"