plt_tn/lev/26/34.md

1015 B

Dia hitia ny Sabatany ny tany

Ny olona dia heverina ho mankatò ny lalàn'ny Sabata amin'ny alalan'ny tsy fambolena ny tany isaky ny fito taona. Andriamanitra dia miresaka ny amin'izany toy ny hoe ilay tany dia toy ny olona izay mankatò ny lalàn'ny Sabata sy mitsahatra. DH: "Ary ny tany dia hitsahatra araka ny lalàn'ny Sabata, araka ny fepetra takian'ny lalàn'ny Sabata, ny tany dia tsy ho volena"

hanana fitsaharana

Andriamanitra dia miresaka ny tsy fambolena ny tany toy ny hoe olona miala sasatra. DH: "tsy ho volena izany"

handefa tahotra amin'ny fonareo Aho

Ny fandefasana tahotra ao am-po dia mampiseho ny fampatahorana azy ireo. DH: "Hampitahoriko mafy dia mafy ianareo"

tahaka ny hoe nitsoaka amin'ny sabatra ianareo

Ny sabatra dia mampiseho ny olona izay vonona ny hamono amin-tsabatra na ny fanafihana ataon'ny tafiky ny fahavalo. DH: "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny olona izay mihaza anareo amin-tsabatra ianareo" na "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny tafiky ny fahavalo ianareo"