plt_tn/lev/26/31.md

1.1 KiB

Hamadika ireo tanànanareo ho faharavana Aho ary handrava ireo fitoeranareo masina

Satria Andriamanitra handefa tafika hanao ireo zavatra ireo, izany dia resahina toy ny hoe hataony. DH: "Handefa ny tafiky ny fahavalo mba hamadika ny tanananareo ho faharavana sy handrava ny fitoeranareo masina Aho"

fitoeranareo masina

Ireo dia toerana izay hanompoan'ny olona ireo sampy raha tokony ho Andriamanitra.

Tsy ho faly amin'ny hanitrin'ireo fanatitrareo Aho

Araka ny tokony ho izy, ny fahafahampon'Andriamanitra amin'ny hanitra dia mampiseho ny fahafahampony amin'izay mandoro ilay fanatitra. Kanefa eto, ny olona dia handoro fanatitra saingy tsy hahafaly an'Andriamlanitra izany. DH: "Handoro fanatitra ianareo, saingy tsy ho faly aminareo Aho"

hanatsoaka ny sabatro sy hanaraka anareo Aho

Io dia mampiseho ny fandefasana tafika mba hanafika azy ireo. DH: "Handefa ny tafiky ny fahavalo mba hanafika anareo Aho" na "handefa ny tafiky ny fahavalo mba hanafika anareo amin'ny sabatra Aho"

Hilaozana ny taninareo, ary ho ravana ireo tanànanareo

DH: "Handao ny taninareo ianareo, ary ireo fahavalonareo dia handrava ny tanànanareo"