plt_tn/lev/24/03.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Andriamanitra dia manohy ny fanomezany toromarika ny amin'ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.
# ao ivelan'ny lamba fanakonana eo anatrehan'ny didim-panekena
Ny andian-teny "didim-panekena" dia mampiseho: na ireo takelaka roa misy ny didy na ny vata izay misy ireo takelaka ireo. Ireo dia napetraka tamin'ny toerana tena masina, izay efitra aorian'ny lamba fanakonana ao amin'ny amin'ny trano-lay fihaonana. DH: "eo ivelan'ny lamba fanakonana izay eo anoloan'ireo takelaky ny didim-panekena" na "eo ivelan'ny lamba fandrakofana izay eo anatrehan'ny vata misy ny fanekena"
# lamba fanakonana
Io dia lamba matevina mihantona toy ny rindrina. Izany dia tsy toy ny lamba fandrakofana amin'ny varavarankely.
# manomboka ny hariva mandra-paraina
"manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka mandra-piposaky ny masoandro" na "ny alina tontolo"
# Ho lalàna maharitra hatramin'ny taranak'ireo vahoakanareo izany
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao ny nadian-teny mitovy alin'ny ao amin'ny 3:15.