plt_tn/lam/01/01.md

865 B

izy

Soratan'ny mpanoratra ny Fitomaniana toy ny hoe vehivavy ny tanànan'i Jerosalema.

tahaka ny mpitondratena

Io andianteny io dia mampitaha an'i Jerosalema amin'ny vehivavy izay tsy misy fiarovana satria maty ny vadiny.

Izy no andriambavy teo amin'ireo firenena

DH: "Nanome voninahitra an'i Jerosalema tahaka ny nanomezan'izy ireo voninahitra ny zanaka vavin'ny mpanjaka ireo firenena hafa"

noterena ho amin'ny fanandevozana

DH: "noterena mba ho lasa andevo"

Mitomany sy midradradradra izy

Soritsoritan'ny mpanoratra toy ny olombelona manana fihetseham-po i Jerosalema. Ny tanàna ihany koa dia midika hoe ireo mponina ao aminy. DH: "Mitomany sy midradradradra ireo izay monina ao aminy."

Mitomany sy midradradradra

Ny teny hoe "midradradradra" dia manondro ny feo izany ataon'ny olona rehefa "mitomany" mafy izy ireo. DH: "mitomany mafy."