plt_tn/jon/01/06.md

1.4 KiB

Ka nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary niteny taminy hoe

"Nt lehilahy mpiandraikitra ny sambo nanantona an'i Jona ka niteny hoe"

Nahoana ianao no matory?

"Nahoana no matory ianao?" Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany izy mba hibedy an'i Jona. DH: "Aza matory intsony!"

Mitsangàna!

Ilazana ny fanaovana asa sasany izany. Ho an'i Jona, niteny taminy ny Kapiteny mba hamoha azy sy hampivavaka azy amin'ny andriamaniny mba ho azo antoka ny dia.

Antsoy ny andriamanitrao!

"Mivavaha amin'ny andriamanitrao!" "Miantsoa" ilazana ny fifantohan'ny olona.

Mety mba hahita antsika ny andriamanitrao ka tsy ho faty isika

Afaka hazavaina izany fampahafantarana feno momba izany andriamanitr'i Jona mety hanavotra azy ireo izany. DH: "Mety haheno antsika ny andriamanitrao ary hamonjy antsika ka tsy ho faty isika."

Nifampiresaka izy rehetra

"Nifampiteny daholo ireo tantsambo"

Manatona, andao isika hanao ankitsapaka, mba hafahantsika mahafantatra hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao

"Tokony hanipy antsapaka isika mba hahafantarana hoe iza no anton'izao fikorontanana izao." Nino ireo lehilahy fa ireo andriamanitra dia handray an-tanana ny fiantefan'ny antsapaka hilaza amin'izy ireoizay tiany ho fantatra. Endrika sikidy izany.

izao loza izao

Ilazana ny tafio-drivotra mahatsiravina izany.

nitontona teo amin'i Jona izany

"hitan'ny antsapaka fa i Jona no olo-meloka"