plt_tn/jon/01/04.md

1005 B

Vetivety teo dia hita

Afaka hazavaina izany amin'ireo izay mieritreritra fa ho simba ny sambo. DH: "Nieritreritra ireo lehilahy"

ho potika

DH: "vaky nisaraka"

ireo tantsambo

Ireo lehilahy miasa amin'ny sambo

ny andriamaniny manokana

Eto ny hoe "andriamanitra" dia ilazana ireo andriamani-tsy izy sy sampy izay notompoin'ny olona.

Natsipin'izy ireo ny entana tao amin'ilay sambo

"Narian'ireo lehilahy ireo entana mavesatra tao amin'ny sambo." natao izany mba hiarovana ny sambo tsy hilentika.

mba hanamaivana izany

Ny fanaovana ny sambo ho maivamaivana dia mampitsingevana azy kokoa. DH: "mba hanampy ny sambo hitsingevana kokoa."

Fa Jona kosa nidina lalina tao amin'ilay sambo

nanao izany i Jona talohan'ny nanombohan'ny tafio-drivotra.

nidina lalina tao amin'ilay sambo

"tao anaty sambo"

nitsilany renoky ny torimaso tao

"nitsilany tao natory renoky ny torimaso" na "nitsilany tao ary tanaty torimaso lalina." Noho izany antony izany, tsy namoha azy ny tafio-drivotra.