plt_tn/job/29/17.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Ao amin'ny andininy 18-20, Joba dia miresaka mahakasika ny zavatra nolazainy mialohan'ny nitrangan'ny zava-doza taminy.

Namotika ny valanoranon'ny ... nanongotra ny niharam-boina

Miresaka ny olona tsy marina izay manenjika ny hafa toy ny bibidia mamely ny hazany amin'ny alalan'ny fanamborana azy ireo amin'ny nifiny i Joba. DH: "Natsahatro tamin'ny fanenjehana ny olona ireo olon-tsy marina, tahaka ny famotehan'ny olona ny valanoranon'ny bibidia ka manavotra ny hazany tsy ho eo amin'ny nifiny"

Ho faty ao amin'ny akaniko aho

Nhy "akaniko" eto dia mampiseho ny tranon'i Joba sy nyu fianakaviany. Joba dia miresaka azy toy ny hoe vorona izay mipetraka ao anaty akany miaraka amin'ny zana-borona. DH: "Ho faty ao an-trano miaraka amin'ireo fianakaviako aho" (UDB) na "ho faty am-pilaminana ao an-tranoko aho"

hampitombo ireo androko toy ny vovom-pasika aho

Joba dia miresaka ny androm-piainany toy ny hoe maro tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina. Io dia fanitarana entina hanehoana fa ho ela velona izy. DH: "Hiaina fotoana ela aho" na "hiaina taona maro aho"

ireo fakako ...ireo rantsako

Niresaka ny tanjany ho toy ny hazo tsara tondraka i Joba.