plt_tn/job/27/22.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Ao amin'ny andininy fa 22-23, Joba dia miresaka ny rivotra ho toy ny olona manafika ny olona ratsy fanahy.

Mampifatratra ny tenany any aminy izany

Eto, ny "mampifatratra ny tenany any aminy" dia mampiseho ny fifofofofon'ny rivotra mamely azy toy ny mpanafika. DH: "mitsoka mahery manohitra azy tahaka ny olona manafika azy izany"

miezaka ny hitsoaka hiala amin'ny tanany izy

Ny "tanana" eto dia mampiseho tanjaka na fahefana izay hananany eo amin'ny olona ratsy fanahy. DH: "Miezaka ny mitsoaka ny fahefany izy"

Miteha-tanana azy amin'ny fanesoana izany

ny fitehafan-tanana dia fomba hanesoana olona. Eto izany dia mampiseho ny rivotra izay mamoaka feo mafy. DH: "mamoaka feo mafy tahaka ny olona mampitehaka ny tanany mba hanesoana azy"

misiotsioka azy hiala amin'ny toerany izany

Ny rivotra mamoaka feo dia resahina toy ny hoe mitsoka azy tsy ho eo amin'ny toerany. Toy ny siotsioka izay ataon'ny olona mba hanesoana olona izany. DH: "mamoaka feo misiotsioka toy ny fanesorany azy tsy ho ao amin'ny tranony izany" na "mitsoka azy tsy ho eo amin'ny toerany sy mamoaka feo misiotsioka tahaka ny olona misiotsioka mba hanesoana azy izany"