36 lines
1.9 KiB
Markdown
36 lines
1.9 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny:
|
||
|
||
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
|
||
|
||
# Efa namotika ahy tamin'ny zorony rehetra Izy
|
||
|
||
Joba dia mitresaka ny famotehan'Andriamanitra azy ho toy ny hoe nisy trano izay nopotipotehin'Andriamanitra. DH: "efa namotika ahy tamin'ny fomba rehetra izy" na "nanafika ahy tamin'ny fomba rehetra izy"
|
||
|
||
# dia lasa aho
|
||
|
||
ny "fahalasanana" dia mampiseho fahapotehana tanteraka. DH: "ary potika tanteraka aho"
|
||
|
||
# nongotany tahaka ny hazo ny fanantenako
|
||
|
||
Ny fanaovan'Andriamanitra azy ho tsy manana fanantenana dia resahin'i Joba toy ny hoe hazo ary nongotan'Andriamanitra niaraka amin'ny fakany avy ao anaty tany ny hazo iray, raha tokony ho tapahina. DH: "efa nanaisotra ny fanantenako rehetra izy" na "nohon'ny nataony no tsy hanantenako zavatra tsara intsony"
|
||
|
||
# Nampirehetiny tamiko ihany koa ny fahatezerany
|
||
|
||
Resahin'i Joba toy ny hoe afo ny fahatezeran'Adriamanitra. DH: "Nandrehitra afo hanohitra ahy ihany koa Andriamanitra" na "lasa tezitra amiko ihanhy koa Andriamanitra"
|
||
|
||
# raisiny tahaka ny iray amin'ireo fahavalony aho
|
||
|
||
"heveriny ho toy ny fahavalo aho"
|
||
|
||
# Miara-tonga ireo tafiny
|
||
|
||
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ka nandefa tafika hanafika izany Andriamanitra. DH: "mandefa ireo tafiny mba hanafika ahy Andriamanitra"
|
||
|
||
# manangana dongon-tany hanafihana ahy izy ireo
|
||
|
||
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nanangana dongon-tany hanohitra ny rindrin'ny tanàna mba hianihan'izy ireo ny rindrina ka hanafika ny tanàna. DH: "nanao dongon-tany mba hianihany ny rindrina ireo miaramila"
|
||
|
||
# ka mitoby manodidina ny laiko
|
||
|
||
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe ao an-dainy izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nitoby manodidina azy sy miomana ny hanafika azy. DH: "mitoby manodidina ny laiko izy ireo ary miomana ny hanafika ahy"
|