plt_tn/jhn/21/20.md

689 B

ilay mpianatra izay tian'i Jesosy

Jaona dia maneho ny tenany amin'ity fomba ity mandritry ny boky, fa tsy nanonona ny anarany.

tian'i Jesosy

Ity dia ilay karazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra ary maniry foana izay mahatsara ny hafa, na dia tsy mahazo tombony aza ianao. Izany karazana fitiavana izany dia mitsinjo ny hafa, na inona na inona nataony.

amin'ny fisakafoana

Ity dia manambara ilay sakafo farany. (Jereo ny 13:1)

Nahita azy Petera

Eto ny hoe "azy" dia maneho ilay "mpianatra izay tian'i Jesosy."

Tompo, inona no ho ataon'io lehilahy io?

Petera dia te-hafantatra hoe inona ny hitranga amin'i Jaona. DH: "Tompo, inona no hitranga amin'io lehilahy io?"