plt_tn/jhn/19/01.md

755 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Mbola mitohy ny fizarana amin'ny tantara tao amin'ny toko teo aloha. Jesosy dia mijoro eo anoloan'i Pilato raha noampangain'ireo Jiosy Izy.

Avy eo nentin'i Pilato Jesosy ka nokapohiny

Tsy Pilao mivantana no nikapoka an'i Jesosy. Eto ny hoe "Pilato" dia entina maneho ireo miaramila izay nobaikon'i Pilato hikapoka an'i Jesosy. DH: "Avy eo Pilato nibaiko ireo miaramilany mba hikapoka an'i Jesosy"

Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!

Ny "Arahaba" miaraka amin'ny tanana mitsangana dia nampiasaina hiarahabana an'i kaisara fotsiny. Raha nampiasa ny fehiloha tsilo sy ilay akanjo volomparasy mba haniratsirana an'i Jesosy ireo miaramila, dia toa mampiomehy izany fa tsy fatatr'izy ireo fa Izy dia tena mpanjaka tokoa.