plt_tn/jhn/11/56.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny zavatra tantaraina ao amin'ny andininy faha-57 dia miseho mialohan'ny andininy faha-56. Raha mety hampikorontana ny mpamakinao izany, dia afaka atambatrao ireo andininy ireo ary ny lahatsoratra ao amin'ny andininy faha-57 no atao alohan'ny faha-56.

Nitady an'i Jesosy izy ireo

Ny teny hoe "Izy ireo" dia maneho ireo vahoaka Jiosy izay nandeha ho any Jerosalema.

Inona no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin'ny andro firavoravoana ve Izy?

Ireo dia fanontaniana maneho fisalasalana lehibe raha ho tonga amin'ny lanonana firavoravoan'ny Pasaka Jesosy. Ny mpanoratra eto dia manontany tena raha ho avy amin'ny firavoravoana Jesosy nohon'ny fisian'ny loza hisamborana Azy. DH: "Jesosy dia mety tsy ho tonga amin'ilay firavoravoana. Mety matahotra ny ho voasambotra Izy!"

Ary efa nanome baiko ny lohan'ny mpisorona

Ity dia fampahafantarana fototra izay manazava ny antony nanontanian'ireo mpivavaka Jiosy tena raha ho avy amin'ilay lanonana Jesosy na tsia. Raha manana fomba hanamarihana fampahafantarana fototra ny fiteninao, dia hampiasao eto.