plt_tn/jhn/08/17.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo Fariseo sy ireo olona hafa ny momba Azy.

Eny, ary ao amin'ny lalànareo

Ny teny hoe "Eny" dia maneho fa Jesosy dia manampy izay nolazainy teo aloha.

voasoratra

DH: "Mosesy nanoratra"

ny fijoroan'ny olon-droa vavolombelona

Mitombona kokoa raha misy olona iray hafa afaka manaporofo izay lazain'ny olona iray. DH: "Raha misy olona roa miteny zavatra mitovy, dia fantatry ny olona fa marina izany"

Izaho no manambara ny tenako

Jesosy dia manambara ny tenany. DH: "Izaho dia manome porofo anareo ny momba Ahy"

ny Ray izay naniraka Ahy ihany koa dia manambara Ahy

Ny Ray ihany koa dia manambara ny amin'i Jesosy. Afaka ataonao mazava tsara izany fa ny fijoroan'i Jesosy vavolombelona dia marina. DH: "Ny Raiko izay naniraka Ahy koa dia mitondra porofo mahakasika Ahy. Noho izany ianareo dia tokony hino fa izay lazainay aminareo dia marina"

ny Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. Raha tsy maintsy milaza ny fiteninao hoe Rain'iza ity, dia afaka ataonao hoe "ny Raiko"