plt_tn/jdg/21/01.md

795 B

Ary ny lehilahin'Israely nanao fampanantenana tao Mizpa hoe ... hanambady Benjamita."

Izany fampahafantarana fototra izany dia milaza amin'ny mpamaky mikasika ny fampanantenana izay nataon'ireo Israelita teo anatrehan'ny fifanandrinana tamin'ireo Benjamita.

Benjamita

Izany ny anaran'ireo taranak'i Benjamina. Jereo ao amin'ny 3:15 ny fomba nandikanao izany.

Nahoana, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no dia nitranga tamin'ny Israely izao, ka tsy ho eto aminay intsony ny iray amin'ireo fokonay ankehitriny?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny vahoakan'Israely mba hanehoany ny halalin'ny halahelon'izy ireo. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Ry Yaveh, malahelo tokoa izahay satria rava tanteraka ny iray amin'ireo fokon'Israely"