plt_tn/jdg/18/30.md

785 B

Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy

Izany ny anaran'ilay zatovo Levita izay nanao ny asan'ny mpisorona ho an'i Mika. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Ny anaran'ilay zatovo Levita dia i Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy"

hatramin'ny andro nahazoana ilay tany

Izany dia ilazana ny fotoana taty aoriana izay nambaboin'ireo fahavalony ny vahoakan'i Dana. Eto ny voababo dia resahina toy ny hoe gadra oasambotry ny fahavalony. DH: "hatramin'ny andro izay nahazoan'ireo fahavalony ny tanin'izy ireo" na "hatramin'ny andro izay nisamboran'ny fahavalony azy ireo"

izay nataon'i Mika

Tsy i Mika no nanamboatra ireo andriamanitra, fa ireo mpanao asa tanana. DH: "ireo zavatra izay namboarina ho an'i Mika" na "izay namboarin'ny mpanao asa tanany ho azy"