plt_tn/jdg/18/24.md

32 lines
1.8 KiB
Markdown

# andriamanitra izay namboariko
Tsy i Mika no nanamboatra ireo andriamanitra, fa ireo mpanao asa tanana. DH: "ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy" na "ireo andriamanitra izay namboarin'ny mpanao asa tanana ho ahy"
# Inona sisa no tavela ho ahy
Nametraka izany fanontaniana izany Mika mba hanasongadinany fa tsy manana ireo zavatra izay sarobidy aminy intsony izy. DH: "Tsy manana na inona na inona intsony aho." na "Nalainareo avokoa izay sarobidy tamiko."
# Ahoana no hahafahanareo manontany ahy hoe: 'Inona no mahory anao?'
Nametraka izany fanontaniana izany Mika mba hanasongadinany fa fantatr'ireo Danita tsara ny maha ory azy. DH: "Fantatro fa mijaly mafy aho!" na "Fantrareo tsara ny fahoriako nohon'ny nataonareo ahy!"
# hamela anay handre izay rehetra lazainao
Izany dia ilazana ireo Danita mihaino an'i Mika miresaka izay zava-nitranga, nefa koa manazava izany fa nolazain'ireo hafa tamin'izy ireo fa niresaka izay zava-nitranga izy. DH: "hamela anay hamantatra izay rehetra nolazainao" na " izay rehetra lazainao mikasika izany"
# handre izay rehetra lazainao
Ny teny hoe "rehetra" dia ilazana izay andinindininy mikasika ireo Danita tonga tao an-tranon'i Mika ka naka ireo sampiny. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "handre izay rehetra lazainao mikasika izany raharaha izany" na "handre izay rehetra lazainao mikasika izay zava-nitranga"
# ho vonoina ianao sy ny fianakavianao
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hamono anao sy ny fianakavianao"
# nanohy ny lalany
Izany dia midika fa nanjohy ny diany izy ireo. DH: "nanohy ny diany'' na "nanjohy ny lalany"
# matanjaka loatra ho azy izy ireo
Ilazana tanjak'ireo Danita raha hifanandrina amin'i Mika sy ny miaramilany. DH: "matanjaka loatra ho azy sy ireo miaramilany izy ireo raha hifanandrina"