plt_tn/jdg/16/15.md

1.0 KiB

Ahoana no hahafahanao miteny hoe: 'Tiako ianao,' raha tsy hizara ireo tsiambaratelonao amiko ianao?

Nametraka izany fanontaniana izany Delila mba hitenenany an'i Samsona fa raha tena tia azy marina izy dia hilaza aminy ireo tsiambaratelony. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Mandainga ianao rehefa miteny hoe 'tiako ianao' satria tsy mizara ireo tsiambaratelonao amiko ianao."

nanery azy ... nanery azy

Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fomba fandresen-dahatr'i Delila an'i Samsona toy ny hoe manery azy mba ho resy lahatra ka hilaza aminy izay tiany ho fantatra. DH: "niezaka mafy mba haharesy lahatra azy ... mandresy lahatra azy mandrakariva"

tamin'ireo teniny

Eto ny teny hoe "teni-" dia izay nolazain'i Delila tamin'i Samsona. DH: "tamin'ny alalan'izay nolazainy taminy izy"

ka naniry mafy ny ho faty izy

Manao filaza-masaka, ary fanitarana ny mpanoratra mba hanasongadinana fa nahatsiaro ho fadiranovana i Samsona. DH: "ka fadiranovana tanteraka izy" na "ka nalahelo mafy izy''