plt_tn/jdg/09/19.md

1.3 KiB

Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo

Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nitondra an'i Jerobala sy ny ankohonany araka ny tokony ho izy ianareo"

Jerobala

Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Izany dia midika hoe "Aoka hiaro ny tenany i Bala." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31.

ny ankohonany

Eto ny hoe "ankohonana" dia entina ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakaviany"

Fa raha tsy izany

Nanaiky i Jotama fa nanao izay ratsy izy ireo sady nanozona. Nino tokoa i Jotama fa izay ratsy no nataon'izy ireo. DH: "Fa raha nitondra an"i Jerobala syn y fianakaviany tsy araka ny tokony ho izy ianareo"

aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema

Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'i Abilemeka ny vahoakan'i Sekema toy ny hoe dorany amin'ny afo izy ireo.

aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo

Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'ny vahoakan'i Sekema sy Beta-milo an'i Abimeleka toy ny hoe doran'izy ireo amin'ny afo izy.

Beta-milo

Anaran-toerana izany. Adikao tahaka ny nandikanao ao amin'ny 9:5 izany.

Bera

Anaran-tanàna izany.