plt_tn/jdg/08/02.md

32 lines
1.6 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Namaly ireo lehilahy avy any Efraima i Gideona.
# Inona moa no vitako ankehitriny raha oharina aminareo?
Nametraka io fanontaniana io Gideona mba hanomezana voninahitra ny vahoakan'i Efraima. DH: "Kely dia kely ny vitako raha oharina amin'izay vitanareo!" (UDB)
# Moa ve ny fanangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
Nampitony ny vahoakan'i Efraima tamin'izany fanontainana fampisainana izany i Gideona. DH: "Azo antoka fa ny voaloboka voahangonareo vahoakan'i Efraima no tsara kokoa noho ny voahangonay taranak'i Abiezera tamin'ny fotoam'piotazana rehetra!"
# Moa ve ny fanangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
Ny fandresen'i Gideona sy ny tafiny dia resahina toy ny hoe fotoam-piotazam-boaloboka. Ny namonoan'ny vahoakan'Israely an'i Oreba sy Zeba dia resahina toy ny hoe nanangona voaloboka izy ireo tamin'ny faran'ny fiotazana. DH: "Zava-dehibe kokoa izay nataonareo vahoakan'i Efraima tamin'ny faran'ny ady noho izay nataonay taranak'i Abiezera tamin'ny fiandohany."
# Abiezera
Izany dia anaran'ny iray amin'ireo razamben'i Gideona. Nampiasa izany anarana izany i Gideona mba entina ilazana ireo taranak'i Abiezera sy ny tanin'izy ireo.
# Oreba sy Zeba
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 7:24 ireo anarana ireo.
# Inona moa no vitako mihoatra izay vitanareo?
Nametraka io fanontaniana io Gideona mba hanomezana voninahitra ny vahoakan'i Efraima. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Izay nataonareo dia zava-dehibe kokoa mihoatra izay nataoko."
# Nilefy
"nihena"