plt_tn/jdg/05/16.md

805 B

Nahoana ianao no mipetraka eo afovoan'ny vala, mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo ondry aman'osiny?

Napetraka izany fanontaniana izany mba hitsikerana ny vahoakan'i Robena satria tsy nanapa-kevitra andeha any amin'ny ady izy ireo. Azo adika amin'ny endriny hafa ihany koa io fehezanteny io. DH: "Tokony nanampy anay amin'ny ady ianareo, fa tsy mijanona ato an-trano sy mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo osy aman'ondriny"

ny vala

Ny dikan-teny sasany ao amin'ny Baiboly dia misy hoe "tranon'omby."

nisy fikasan'ny fo lehibe

Eto ny hoe "fo" dia midika hoe eritreritra. Miady hevitra ny olona nefa tsy mahavita manapa-kevitra ny amin'izay tokony hataon'izy ireo, tahaka ny hoe mitady ny fony izy ireo. Jereo ao amin'ny 5:15 ny fomba nandikanao izany.