24 lines
1.1 KiB
Markdown
24 lines
1.1 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
|
|
|
|
# izay manana ny lalàko ao am-ponareo
|
|
|
|
Ny fananana ny lalàn'Andriamanitra ao am-po dia manambara ny fahafantarana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fitiavana hankatoa izany. DH: "izay mahafantatra sy hanome voninahitra ny lalàko"
|
|
|
|
# na kivy amin'ny fanararaotany
|
|
|
|
DH: "ary aza kivy rehefa mandratra anareo izy ireo"
|
|
|
|
# Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry
|
|
|
|
Ny olona izay manararaotra ireo izay marina dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe akanjo volon'ondry izy ireo ary izy ireo rava toy ny hoe nihinana azy ireo ny bibikely.
|
|
|
|
# ho mandrakizay ny fahamarinako
|
|
|
|
Ny "fahamarinan'Andriamanitra" eto dia manambara Azy manapaka amin'ny fahamarinana. DH: "ho mandrakizay ny fanapahako marina" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"
|
|
|
|
# ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko
|
|
|
|
Ny "famonjen'Andriamanitra" eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. Ny hoe "ho an'ny taranaka rehetra" dia manambara ny faharetana mandrakizay. DH: "Hanavotra anareo Aho, ary ho afaka mandrakizay ianareo"
|