plt_tn/isa/50/11.md

642 B

ianareo rehetra izay mandrehitra afo...afo izay efa narehitrareo

Ity dia manohy ny sarinteny tao amin'ny andininy teo aloha izay milaza ny olona mandeha ao anaty aizina. Eto ny olona izay miezaka miaina araka ny fahendren'izy ireo ihany fa tsy matoky an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandrehitra ny afony sy mitondra fanilo mba hahita ao anaty aizina izy ireo.

handry eny amin'ny toeran'ny fanaintainana ianareo

Eto ny hoe "mandry" dia manondro ny fahafatesana. Ny fahafatesana feno fanaintainana dia resahina toy ny hoe mandry amin'ny toerana izay hiainan'izy ireo fanaintainana izy ireo. DH: "ho faty amin'ny fijaliana be ianareo"