plt_tn/isa/45/22.md

20 lines
915 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miteny Yaveh.
# Miverena Amiko ary aoka ho voavonjy
DH: "Miverena Amiko ary hanavotra anareo Aho"
# ry faran'ny tany rehetra
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. Io andianteny io ihany koa dia sarinteny ary manondro ny toerana rehetra anelanelan'ny farany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo"
# ry faran'ny tany rehetra
Eto ireo andianteny ireo dia manambara ny olona izay mipetraka any amin'ireo "faran'ny tany." DH: "ianareo izay monina any amin'ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ianareo rehetra izay mipetraka eto an-tany"
# Amiko no handohalian'ny lohalika rehetra, ary hianiana ny lela rehetra
Ny teny hoe "lohalika" sy "lela" dia manambara ny olona. DH: "Ny olona rehetra dia handohalika eo anatrehako, ary ny olona rehetra dia hianiana"