plt_tn/isa/42/14.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola miteny Yaveh.
# Efa nangina Aho hatrizay; efa nangina Aho ary nifehy ny tenako
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny tsy nanaovan'i Yaveh zavatra dia soritsoritana toy ny hoe fahanginana sy tsy fihetsehana izany.
# fa nangina Aho ary nifehy ny tenako
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro fa nifehy ny tenany tsy hanao zavatra Yaveh. DH: "Nifehy ny tenako tsy hanao zavatra Aho"
# hitaraina toy ny vehivavy miteraka Aho; hiehakehaka tsy avy miaina
Ny asan'i Yaveh toy ny mpiady mihiaka dia ampitahaina amin'ny vehivavy bevohoka izay mitaraina nohon'ny fanaintainan'ny fiterahana. Io dia manindry zavatra izay tampoka sy tsy azo nialana taorian'ny fotoana izay tsy nanaovana zavatra.
# Hataoko lao ny tendrombohitra...hanamaina ny farihy
Mampiasa fiteny misy sarinteny Yaveh mba hanoritsoritana ny heriny lehibe handreseny ireo fahavalony.
# ny farihy
Ny dia farihy dia toerana malemy, tany mando izay misy dobon-drano.