plt_tn/isa/42/05.md

1.1 KiB

izay namorona ny lanitra sy nanenjana ireo, ilay nanao ny tany

Ny faharian'i Yaveh ny lanitra sy ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ny lanitra sy ny tany.

manome fofonaina ho an'ny olona ao amin'izany ary fianana ho an'ireo izay miana eo amin'izany

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa manome aina ho an'ny olona rehetra Yaveh. Ny teny hoe "fofonaina" dia sarinteny ilazana ny aina. DH: "manome aina ho an'ny olona izay miaina eto an-tany"

efa niantso anao

Eto ny hoe "anao" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh.

Hiambina...hametraka anao toy ny fanekena ho an'ny olona

Eto ny teny hoe "fanekena" dia sarinteny ilazana ny olona izay manorina na mandinika fanekena. DH: "Hiambina...hanao anao ho mpanelanelana ny fanekena amin'ny vahoaka"

ny fahazavana ho an'ireo Jentilisa

Ny fanaovana ny mpanompony ho ilay iray izay manafaka ireo firenena amin'ny fatotra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nataony fahazavana izay mamiratra ao amin'ny toerana maizina ho an'ireo Jentilisa izy.