20 lines
1.0 KiB
Markdown
20 lines
1.0 KiB
Markdown
# Iza no nandrefy...na ireo havoana tamin'ny mizana?
|
|
|
|
Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa Yaveh irery ihany no afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy misy olona afa-tsy Yaveh no nandrefy...ary ireo havoana tamin'ny mizana."
|
|
|
|
# nandrefy ny rano teo am-pelatanany
|
|
|
|
Ny fahafantarana ny habetsaky ny rano ao amin'ny ranomasimbe dia resahina toy ny hoe nihazona ny rano teo an-tanany Yaveh.
|
|
|
|
# nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany
|
|
|
|
Ny "zehy'' dia fandrefesana halava amin'ny ankihibe sy ny ankihy kely rehefa henjanina ny tanana. Ny fahafantaran'i Yaveh ny halavan'ny lanitra dia resahina toy ny hoe nandrefy izany tamin'ny tanany Izy.
|
|
|
|
# nihazona ny vovon-tany tanaty harona
|
|
|
|
Ny fahafantaran'i Yaveh ny habetsaky ny vovoka teto an-tany dia resahina toy ny hoe nitondra izany tao anaty harona Izy.
|
|
|
|
# nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mizana?
|
|
|
|
Ny fahafantaran'i Yaveh ny havesatry ny tendrombohitra dia resahina toy ny hoe nandanja ireo teo amin'ny fandanjana sy mizana Izy.
|