16 lines
1.1 KiB
Markdown
16 lines
1.1 KiB
Markdown
# ho tahaka ny vehivavy ireo Egyptiana
|
|
|
|
Io dia manamafy fa ny vahoakan'i Egypta dia hatahotra ary tsy afa-manoatra rehefa manafay azy ireo Andriamanitra.
|
|
|
|
# nohon'ny fisandratry ny tanan'i Yaveh tompon'ny maro izay atsangany eo amin'izy ireo
|
|
|
|
Eto ny "tanana" dia maneho ny herin'Andriamanitra, ary ny fananganana ny tanana hanohitra azy ireo dia maneho famaizana azy ireo. DH: "satria nanangana ny tanany mahery hanafay azy ireo Yaveh tompon'ny maro"
|
|
|
|
# Ho tonga anton'ny fivemben'i Egypta ny tanin'i Joda
|
|
|
|
Ny "tanin'i Joda" sy "Egypta" dia manondro ny vahoaka ao amin'ireo toerana ireo. Hivembena ireo Egyptiana satria matahotra. DH: "Hahatonga ny Egyptiana hivembena ny vahoakan'i Joda" na "Hahatonga ny Egyptiana hatahotra mafy ny vahoakan'i Joda"
|
|
|
|
# Na rahoviana na rahoviana no misy olona hampahatsiahy azy ireo azy, dia hatahotra izy ireo
|
|
|
|
Eto ny hoe "azy ireo" sy "izy ireo" dia manondro ireo Egyptiana ary hoe "azy" dia manondro ny vahoakan'i Joda. DH: "Na oviana na oviana no misy olona hampatsiahy ny Egyptiana momba ireo vahoakan'i Joda, dia hatahotra ireo Egyptiana"
|