16 lines
1.1 KiB
Markdown
16 lines
1.1 KiB
Markdown
# Hisy solofony hitsimoka avy amin'ny fototr'i Jese ... hisy rantsana avy amin'ny fakany hitondra voany
|
|
|
|
Jese sy ny taranany dia resahin'Isaia toy ny hoe hazo izay notapahina. Ireo andian-teny ireo dia samy miresaka momba ny taranak'i Jese izay ho mpanjaka. DH: "Tahaka ny solofo izay mitsimoka amin'ny foto-kazo, toy izany koa dia hisy taranak'i Jese ho tonga mpanjaka eo amin'izay sisan'Israely"
|
|
|
|
# fototr'i Jese
|
|
|
|
Ny fototra eto dia izay tavela amin'ny hazo rehefa avy nokapaina. Ny "fototr'i Jese" dia entina ilazana izay tavela amin'ny fanjakan'i Davida zanak'i Jese izay nahampanjaka azy.
|
|
|
|
# Hitoetra ao aminy ny Fanahin'i Yaveh
|
|
|
|
Ny fitoerana eo aminy dia maneho ny fiarahana aminy sy fanampiana azy. Ny teny hoe "aminy" dia manondro ilay iray izay ho tonga mpanjaka.
|
|
|
|
# fanahin'ny fahendrena ... ilay fanahin'ny fampianarana ... ilay fanahin'ny fahalalana ... tahotra an'i Yaveh
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "fanahy" dia entina ilazana ny fahafahana na ny zavatra tsara izay homen'ny Fanahin'i Yaveh azy. DH: "ary hahatonga azy hanana fahendrena, fianarana sy hery, fahalalana ary tahotra an'i Yaveh izy"
|