plt_tn/isa/05/13.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireto andininy ireo dia manambara izay hitranga amin'ny olona satria tsy nankatoa an'Andriamanitra izy ireo.

efa lasan-ko babo nohon'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsaina ny oloko

Amin'ny faminaniana, ny zavatra izay hitranga amin'ny ho avy matetika dia atao toy ny hoe efa nitranga. Manidry izany fa ho tanteraka tokoa ilay faminaniana. DH: "hisy fahavalo avy amin'ny firenena hafa haka ny oloko, Israely, ho andevo"

nohon'ny tsy fahampian'ny fahalalana

Izay tsy hain'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "satria tsy azon'izy ireo na Yaveh na ny lalàny"

efa nataon'ny Fiainan-tsy hita ho lehibe ny homany ary nosokafany misanasana ny vavany

Ity andian-teny ity dia mampitaha ny Fiainan-tsy hita, izay ilazana ny fasana, amin'ny biby izay vonona hihinana biby hafa. Midika izany fa maro, tena maro ny olona ho faty. DH: "ny fahafatesana dia tahaka ny biby noana izay mampisanasana ny vavany hihinana olona maro"

ary nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ireo sangany, ny vahoaka, ireo mpitariny, ary ireo mpampiseho sy ireo izay faly eo amin'izy ireo

Resahin'ny mpaminany toy ny hoe mitranga izao ankehitriny izao ny ho avy. DH: "Maro amin'ny olon'Israely, ireo olo-manan-kajany sy olona olona mahazatra mbamin'ireo izay mankafy fety, dia ho any amin'ny Fiainan-tsy hita"