plt_tn/isa/05/03.md

24 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny fanoharan'Isaia momba ilay tanim-boaloboka, ilay tompon'ny tany, izay maneho an'Andriamanitra, dia miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema sy Joda momba ny tanim-boalobony.
# ry mponin'i sy olon'i
Io teny io dia manondro ny olona monina ao Jerosalema sy Joda amin'ny ankapobeny. DH: "ianareo rehetra izay monina ao Jerosalema sy Joda"
# Jerosalema ... Joda
"Joda" no anaran'ny fanjakana tatsimon'Israely, ary Jerosalema no renivohitry ny tanàna.
# mitsarà ahy sy ny tanim-boaloboko
Ny hevitry ny elanelana manasaraka ny zavatra roa matetika dia ampiasaina hanehoana ny fisafidianana ny iray na ny hafa amin'ireo zavatra ireo. DH: "tapaho izay nanao ny marina, izaho sa ny tanim-boaloboko"
# Inona koa no tokony natao tamin'ny tanim-boaloboko, izay mbola tsy vitako taminy?
Mampiasa io fanontaniana io ny tompony mba hilazana momba ny tanim-boalobony. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Efa nataoko izay azoko natao ho an'ny tanim-boaloboko!"
# Rehefa naniry izany mba hamokatra voaloboka aho, nahoana no namokatra voalobo-dratsy izany?
Mampiasa io fanontaniana io ny tompony mba hilazana fa tokony ho efa namoa voaloboka ilay tanim-boaloboka. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Tiako mba hamoaka voaloboka tsara izany, saingy voalobo-dratsy ihany no navoakany"